Ho fanatsarana ny site dia mety hisy fanelingelenana kely ato ho ato ka dia ialana tsiny mialoha. Hiezaka anefa izahay ny mba hanao izay tena hahakely izany. Ny forum dia tsy ho tapaka mihintsy. Misaotra tompoko
Fandraisana
IREO KARAZANA ALIKA
Amstaff
Alika Gasy
Boerboel
Coton de Tulear
Dogue Allemand
FITAIZANA
Fomba fisafidianana alika

Fitaizana sy baiko

ZAVA-MISY
Ireo alika mampidi-doza
Feon-gazety
ROHY ISAN-KARAZANY
Iza no ataonao anarany?

Xena - Amstaff

Oceane - Dogue Allemand
Toufou - ''Alika Gasy''

 ASA

Mpibaiko
Dogsitters
Hafa
SERASERA

    

                                             

 
 
 
 
 
 
 
 

 


 

 

 

 

 

 

 

 

XENA & TEE  

Tel: 034.01.117.99  

e-mail: xena.amstaff@yahoo.com
Tranokala ho ambohim-pihaonan-tsika rehetra tia alika

Ao izahay no mitsabo sy manara-maso ny alikanay

Vakio ato ny torohevitr'i Dr Louisie avy ao amin'ny Arche veterinaire

NY FOMBA FISAFIDIANANA ALIKA

Satria mety amam-polotaonany no hiarahanao miaina miaraka aminy, ary satria koa tsy hijanona foana amin'iny endriny mahafatifaty tamin'ny mbola kely iny izy, ary koa tsy ho be lalao sy tia sangy foana tahakan'io izy mbola 3 volana io foana izy, dia tena zava-dehibe ny safidinao androany! Coton de Tuléar ve? sa Amstaff? sa Matin de Naples? sa "alika gasy"?

Alohan'ny tena handraisanao hevitra dia diniho aloha ny tenanao sy ny fomba fiainanao dia apetrao amin'ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto;

1) Ohatrinona isan'andro no foiko sy zakako    hamelomana alika? Tadidio fa ny alika dia tokony hihinana sakafo 4%'ny lanjany isan'andro ka ny 60%'izay dia hena: ohatra, 40kg izy dia 1,5 kg izany no fitambarany ary 960g ny hena (Tsy taolana akory fa hena), 20% ny vary na pate,izany hoe 320g ary legumes ny ambiny! izany dia ankoatran'ny fanampitsakafo izay vidiana eny amin'ny veterinera toy ny levure de biere na complement toy ny vitamine sns (Wou ohatra). Raha croquettes kosa no safidinao dia jereo ny fonony izay manoro ny tokony habetsahany arakaraky ny lanjan'ilay alika sy ny karazany, dia ataovy ny kajikajy tsotsotra. Eo izany ianao aloha dia efa afaka mametra ny habehan'ny alika mety aminao.

2) Manana adiny firy isan'andro aho hitondrako azy mandehandeha?

3) Manana faharetana ve aho amin'ny fitaizana sy fampianarana azy ?

4) Alika tahakan'ny inona no habehany sy toetrany no mety omby ny tranoko?

5) Mazoto ve aho ny hanasa ny viliany, hikarakara ny sakafony hamafa ny tainy sy ny pipiany isan'andro, hampandro azy tsindraindray ary hiaritra izay fahasimban'entana mety hataony?

6) Vonona ve aho ny ho tompon'andraikitra amin'ny zavatra mety ho afitsoky ny alikako eo amin'ny fiaraha-monina? (Manaikitr'olona, mihinana bibin'olona na manimba zavatr'olona)

7) Raha hanambady aho any aoriana any dia ho avelako amin'olonkafa ve ny alikako, ary raha toa ka efa manambady ianao izao, dia mety hiteraka disadisa sa fifaliana ao amin'ny fianakavianao ve ny fisiany?

8) Inona no tena ilaiko alika? Ho namana ve, sa ho mpiambina sa ho mpiara-milalao sa haingo-trano sa kosa mba hisehosehoana amin'ny manodidina?

9) Lahy sa vavy?

10) Raha 12 taona eo ho eo ny alika vao maty, mety efa firy taona aho amin'izany? Dia inona avy ny mety ho fiovana eo amin'ny fiainako? (zaza, manofa-trano, manambady, mifindra-monina sns), mety hisy fiantraikany amin'izany ve ny fananako alika?

 

Balky - 'Alika gasy' Mahafatifaty avokoa ny alika raha mbola kely, saingy tsy tahakan'izao foana izy rehefa lehibe!

Oceane (Dogue Allemand), eo ambony izy vao 2 volana, 5 volana aty aoriana, izany hoe 7 volana io ambany io kanefa ny fitomboany dia mety tsy hitsahatra raha tsy any amin'ny 24 volana any, dia tahakan'izay koa ny sakafony!

PASSEZ VOS PETITES ANNONCES GRATUITES ICI (VENTE, ACHAT, SAILLIE, PERDU/TROUVE........)

NB : chargez vos photos au http://imageshack.us, cliquez sur parcourir, insérez une image à partir de votre ordinateur. Ensuite cliquez sur ‘Host it’. Des codes Html et des liens apparaissent. Choisissez ‘Show image to friends’, (commencant par ‘http’) copiez le lien et collez sur l’Url de l’annonce

Mba ahafantaranao ny mety ho toetran'ny alika izay hotaizanao rahatrizay dia misy fitsapana kely azonao atao aminy, dia ilay antsoina hoe : TEST DE CAMPBEL.

Rehefa feno 7 herinandro ary tsy mihoatra ny 10 herinandro no fanaovana azy. Alainao mitokana ilay alika, tsy sangianao izy na tambatambazana, izany hoe tsy manisy fihetsempo aminy mihintsy izany ianao. mitokana ao amin'ny toerana mangiana tsara ianareo, dia ataovy ireto fitsapana ireto, ary tokony haharitra 30 segondra eo ho eo isaky ny fitsapana, ka toy izao avy no mety ho vokany:

A) Sady manohitra no mitady hanaikitra
B) Manohitra fotsiny fa tsy mitady hanaikitra
C) Manohitra fa rehefa avy eo manaiky
D) Tsy rototra fa manaiky fotsiny
E) Kaodikaody, mody tsy mihetsika kanefa avy eo mikiakiaka dia    manaikitra vao manaiky nohon'ny tahotra  (jereo ny sary avy eo ankavanana)
 

Raha toy izao ny valiny dia:

Raha misy A iray na maromaro dia, alika tia, mpiambina mahatoky, tia sangy mahery sy ady ka mila hentitra tsara amin'ny fitaizana azy. Tsy tsara hapetraka irery miaraka amin'ny zazakely na olona antitra na misy fahalemena.

Raha misy B iray na maromaro, dia alika mahatoky tena, tsy mitaky firaiketam-po somary tia tena, mila fitaizana maharitra, tsy tsara hapetraka irery miaraka amin'ny zazakely sy ankizy

raha misy C iray na maromaro, dia alika mora manaiky, mora tenenina tsy hatahorana ny fiarahany amin'ny zazakely na ankizy sy olona antitra na misy fahalemena.

Raha misy D iray na maromaro, dia alika tsara fanahy, mora manaiky sy mora tenenina kanefa dia mitaky fitiavana be sy fikarakarana akaiky.

Raha misy E iray na maromaro, dia alika kanosa, mety manaikitraiki-poana, mora mandositra, mpivovo tsy amin'antony, tsy mety ho an'ny ankizy na olona antitra, kilemaina. Tsy tia vahiny ary tsy azo atokisana raha atao mpiambina ankoatran'ny vovo!

 

 
Raiso moramora ilay alika, dia hampandrio amin'ny lamosiny dia ataovy tahakan'io sary eo ambony io
 
Apetraho indray izy, raiso ny tendany ary hatrakao toy izao
 
Hatsangano dia batao hiainga amin'ny tany ny tongony, tahakan'io amin'ny sary io

Raha te hahalala momban'ny fitaizana sy baiko ianao dia mankanesa eto

 

Oceane - Dogue Allemand merle

Aza misalasala mihintsy mandefa fanintsiana na sosokevitra raha hitanareo fa ilaina izany, satria ity site ity dia natao ho antsika rehetra tia alika. Raha manana site tsy ara-barotra miresaka momban'ny alikanao koa ianao dia alefaso aty raha tianao asiana rohy (lien) ato aminay. Raha toa moa ianao ka matihanina eo amin'ny sehatry ny alika (eleveur, agence de securite, distributeur de produits alimentaires et accessoires...) ke te hanao dokam-barotra ato dia manorata aty aminay.

 

Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Dogue Allemand ianao dia makanesa eto

 

 

Mivarotra fitaovana sy kojakoja vita malagasy, toy ny collier, laisse ary harnais koa izahay, izay azonao jerena avy hatrany ao amin'ny Arche veterinaire Itaosy na koa azonao jerena sy komandina eto.

 


 

 

  Xena & Tee - Antananarivo