|
IREO FEPETRA TSY MAINTSY RAISINA RAHA MANANA ALIKA
1) Vao tonga ao aminao ilay alika mandra-pahafatiny dia tompon'andraikitra feno amin'izay rehetra ataony ianao tompony.
2) Tsy maintsy fefenao tsy handeha any amin'ny faritra tsy anao ny alikanao fa raha misy mahazo azy any (voahitsaky ny fiara, misy midaroka, na mihinanan poizina sns..) dia tsy misy na iza na iza azonao tazomina, kanefa kosa raha manimba zavatr'olona, na mandratra olona sns kosa izy dia tompon'andraikitra feno ianao!
3) Raha mitondra ny alikanao mandehandeha ianao, indrindra fa raha eny an-dalambe dia tsy maintsy asianao tady mahazaka (laisse), fehitenda misy ny anarany sy ny numero telephone-nao ary muselière (arakarak'ilay toerana), ary tokony entinao na ataonao mora raisina ny carnet de vaccination-ny
4) Aza avela mihintsy ny alika hiaraka irery amin'ny ankizy kely, na antitra na olona misy fahalemena na miaraka amin'ny vahiny, na alika inona io na inona!
5) Aza atao tsirambina ny fitandrovana ny fahasalamany, indrindra ny vakisiny. Ary tadidio fa ny vakisiny miaro amin'ny haromontana dia takian'ny lalana ary mila haverina isaky ny 2 taona fara-faha elany!
6) Raha mitondra alika ao anaty fiara ianao dia asio aro-loza mba tsy haneingelenany anao tampoka ka hitera-doza (fatorana, na asiana fefy manasaraka ny mpamily sy ny alika na misy olona iray tena afaka ny mitazona azy tsara
7) Aza avela hikasika ny alikanao ny olona tsy fantatra raha tsy miera aminao, indrindra fa ny ankizy kely
8) Rehefa maty ny alikanao dia aleveno lalina fa aza aririana ivelan'ny tany, ary diovy amin'ny fanafody ny faritra misy anao raha toa ka aretina no nahafaty azy, indrindra fa ny parvovirose sy ny haromontana
9) Ny Fitaizana dia tsy maintsy atomboka raha vao tonga ao aminao ny alika ary tsy tokony hatsahatra mandrapahafatiny, ny dressage kosa dia safidy
10) Ny fampianarana 'attaque' dia tsy kilalao, ka tsy maintsy hilana manam-pahaizana manokana momban'izany. |