Ho fanatsarana ny site dia mety hisy fanelingelenana kely ato ho ato ka dia ialana tsiny mialoha. Hiezaka anefa izahay ny mba hanao izay tena hahakely izany. Ny forum dia tsy ho tapaka mihintsy. Misaotra tompoko
Fandraisana
IREO KARAZANA ALIKAB
Amstaff
Alika Gasy
Boerboel
Coton de Tulear
Dogue Allemand
FITAIZANA
Fomba fisafidianana alika

Fitaizana sy baiko

ZAVA-MISY
Ireo alika mampidi-doza
Feon-gazety
ROHY ISAN-KARAZANY
Iza no ataonao anarany?

Xena - Amstaff

Oceane - Dogue Allemand
Toufou - ''Alika Gasy''

 ASA

Mpibaiko
Dogsitters
Hafa
SERASERA

                                                  

 
 
 
 
 
 
 
 


 

 

 

 

 

 

 

 

XENA & TEE 

Tel: 034.01.117.99    

 

e-mail: xena.amstaff@yahoo.com
Tranokala ho ambohim-pihaonan-tsika rehetra tia alika

Ao izahay no mitsabo sy manara-maso ny alikanay

Vakio ato ny torohevitr'i Dr Louisie avy ao amin'ny Arche veterinaire

FITAIZANA SY BAIKO

Zavatra samy hafa mihintsy izany hoe fitaizana sy baiko izany. Ny fitaizana dia fanazarana ny alika hiaina mifanaraka amin'ny fomba fiainanao. Toy ny fampianarana azy tsy hanao izay zavatra tsy tianao ataony ao an-trano sy eny antokotany, ohatra: tsy miditra any amin'ny efitra tsy tianao hidirany (WC, efitrano fandriana, lakozia sns), tsy hipipy na hikaka eny amin'ny toerana tsy tianao hanaovany amin'izany (ao an-trano, ao anaty zaridaina, eny amin'ny gazon sns), tsy nitanitanina olona misakafo, mivovo tsy amin'antony, mipetraka tsara rehefa mandeha fiara sns. Ny fitaizana dia tsy mety tapitra fa mivoatra mifanaraka amin'ny fivoaran'ny fomba fiainanao, ary ilay alika dia tokony hahay izany tsy mila tenenina fa lasa fomba fiainany ho azy!

Ny baiko kosa dia fomba iray hampanekenao ny alikanao isaky ny ilaina izany, toy ny fitenenana azy hipetraka, hitsangana, hiandry, hatory, haka zavatra, hanafika, hiambina, hitsambikina na hanao zavatra hafa. Ireo fomba ireo kosa dia ilainao rehefa mandeha ivelan'ny tananao ianao na any antranon'olon-kafa na koa raha sendra fanafihana. Ny baiko dia mila famerimberenana satria ankoatran'ny maha-baiko azy dia io koa no fomba iray ahafahanao mametraka amin'ny alikanao fa ianao no sefo. Ny alika tsy voabaiko na tsy nmerimberenana baiko matetika no 'mivadika' tampoka amin'ny tompony any aoriana any

Ny Fitaizana dia tsy maintsy ianao sy ny olona ao an-tranonao no tokony hiaraka hanao izany fa tsy mpibaiko (dresseur) akory na olon-kafa, ary tsy maintsy ao an-tranonao fa tsy any an-toren-kafa akory!

Ny baiko fototra kosa, toy ny; 'Assis', 'couche', 'debout' ary ny 'marche au pied' sns dia tokony ianao no manao izany, raha tsy mahay moa ianao dia azonao atao ny maka mpibaiko (dresseur)ary tokony ianao no mibaiko azy matetika, ianao mantsy no mila ekeny fa tsy ilay mpibaiko akory!

Tandremo anefa fa ny baiko fanafihana (attaque)dia tsy tokony handrakandramana fa tsy maintsy ilaina mpibaiko matihanina. Vita tsara kosa ny asan'ny mpibaiko (dresseur) rehefa ianao no heken'ny alika fa tsy ilay mpibaiko. Ary raha mbola azonao atao, dia miaraha foana amin'ilay mpibaiko mandritra ny fampianarana fa tsy hoe avela irery any izy sy ny alika. Ny fanekeny mpibaiko tsy midika na inona na inona, ny fanekeny anao no zava-dehibe. Rehefa tsy anao izay ianao dia ho lany vola fotsiny eo sady hanana alika sarotra baikona na voatery hitrerotrerona vao hanaiky izy!                                      

Ny fitaizana dia fanazarana azy hiaina arak'izay  hitiavanao azy sy mety amin'ny fomba fiainanao, io dia anjarano no manapa-kevitra izay tianao ho fomba fiainany ao an-tranonao

FADIO NY MPIBAIKO

- Mitrerotrerona

- Mampijaly sy mikapoka

- Mampiasa 'collier etrangleur' matetika

- Tsy mety hampianatra anao

- Mitady hevitra tsy hanatrehanao ny fampianarana

- Mitady hevitra hitondrana irery ny alikanao

-Tsy tsara fanahy amin'ny alika

- Raha mandositra ny alikanao vao mahita azy

- Raha mitrerona azy ny alikanao rehefa baikony

 

 

 

Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Amstaff ianao dia mankanesa eto

PASSEZ VOS PETITES ANNONCES GRATUITES ICI (VENTE, ACHAT, SAILLIE, PERDU/TROUVE........)

NB : chargez vos photos au http://imageshack.us, cliquez sur parcourir, insérez une image à partir de votre ordinateur. Ensuite cliquez sur ‘Host it’. Des codes Html et des liens apparaissent. Choisissez ‘Show image to friends’, (commencant par ‘http’) copiez le lien et collez sur l’Url de l’annonce
.

AZA MIANDRY MPIBAIKO FA TONGA DIA MANOMBOHA

Rehefa feno 2,5volana ka efa mahafantatra tsara ny anarany dia zaro asiana collier, ento mandehandeha ao an-tanananao, sady antsoy amin'ny anarany izy no tarito tsimoramora, isaky ny manaraka dia dokafy, avy hatrany dia zaro entina avy ao an-kavia ary aza avela hivadibadika. Fadio ny manery azy fa rehefa tsy mety izy dia avelao amin'izao!  Rehefa zatra tsara izy (afaka 10 andro eo ho eo) dia atombohy ny fampianarana azy hipetraka: Tsindrio moramora ny vodiny sady tohano ny tratrany no miteny ny baiko sy ny anarany ianao (assis Boby!), isaky ny manao dia dokafy na omeo hena kely ohatra, rehefa manomboka mahay dia baikoy tsy misy fanindriana vody intsony, mitsangana mihintsy dia avelao izy anao! Manana faharetana fa izay ihany ny fanafodiny, 5-10mn isan'andro dia ampy, afaka 10 andro io dia hainy

Rehefa hainy ny mipetraka dia ampianaro azy indray ny matory. Asaivo mipetraka aloha izy, avy eo sady mibaiko ianao hoe; couche Boby, no sintominao moramora ny tanany hitsotra, dia isaky ny tafatory dia dokafy na omeo hena kely. 5-10mn isan'andro dia ampy hainy io afaka 10 andro. Ataovy mifandimby amin'izay ny mipetraka sy ny matory avy eo

Ny mitsangana kosa dia tokony ataonao fahazarana fotsiny isaky ny avy mipetraka na avy matory izy, toy izany koa ny arret, rehefa entinao mitsangatsangana izy. Mandeha kely ianareo dia sady mijanona ianao no miteny hoe Halte Boby, dia mandeha indray, ataovy ho fotoana mahafinaritra ny fibaikonao azy fa tsy ho fahoriana ho azy akory.!

Tohano ny tratrany dia tsindrio moramora ny vodiny sady baikonao tsimoramora izy hipetraka
Sintomy moramora ny tanany rehefa mipetraka izy dia sady baikoy hatory - tsy maninona na tsy mety aza ny fatoriny amboalohany fa azo ahitsy tsimoramora iny rehefa hainy ny baiko

Raha te hahalala ny atao hoe Alika Gasy kosa ianao dia mankanesa eto

 

Oceane - Dogue Allemand merle

Aza misalasala mihintsy mandefa fanintsiana na sosokevitra raha hitanareo fa ilaina izany, satria ity site ity dia natao ho antsika rehetra tia alika. Raha manana site miresaka momban'ny alika koa ianao dia alefaso aty raha tianao asiana rohy (lien) ato aminay. Raha toa moa ianao ka matihanina eo amin'ny sehatry ny alika (eleveur, agence de securite, distributeur de produits alimentaires et accessoires...) ke te hanao dokam-barotra ato dia manorata aty aminay.

 

Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Dogue Allemand ianao dia makanesa eto

 

American pit bull terrier, American pit bull, pit bull terrier, pit bull, pitbull, pittbull, pitt bull, gamebred, American gamedog, game pit bull, K9, detection dogs, police dog, police dogs, detection dog, bomb dog, narcotics detection dog, explosives detection dog, Boldog Kennel, Diane Jessup, BSL, dog training, schutzhund, French ring sport, tracking, tracking dog, agility dog, weight pull, weight pulling pit bull, dog crate, pit bull books, pit bull book, dog training, dog fighting, Washington State Patrol, breed specific legislation, dog agility, gamedogs, game dogs, American gamedog, dog fighting, treadmills, jenni, catmill, springpole, weight pulling, dog aggression

Mivarotra fitaovana sy kojakoja vita malagasy, toy ny collier, laisse ary harnais koa izahay, izay azonao jerena avy hatrany ao amin'ny Arche veterinaire Itaosy na koa azonao jerena sy komandina eto.

 


 

 

  Xena & Tee - Antananarivo

aha