Ho fanatsarana ny site dia mety hisy fanelingelenana kely ato ho ato ka dia ialana tsiny mialoha. Hiezaka anefa izahay ny mba hanao izay tena hahakely izany. Ny forum dia tsy ho tapaka mihintsy. Misaotra tompoko
Fandraisana
IREO KARAZANA ALIKA
Amstaff
Alika Gasy
Boerboel
Coton de Tulear
Dogue Allemand
FITAIZANA
Fomba fisafidianana alika

Fitaizana sy baiko

ZAVA-MISY
Ireo alika mampidi-doza
Feon-gazety
ROHY ISAN-KARAZANY
Iza no ataonao anarany?

Xena - Amstaff

Oceane - Dogue Allemand
Toufou - ''Alika Gasy''

 ASA

Mpibaiko
Dogsitters
Hafa
SERASERA

                                                  

 
 
 
 
 
 
 
 


 

 

 

 

 

 

 

 

XENA & TEE 

Tel: 034.01.117.99    

 

e-mail: xena.amstaff@yahoo.com
Tranokala ho ambohim-pihaonan-tsika rehetra tia alika

Ao izahay no mitsabo sy manara-maso ny alikanay

Vakio ato ny torohevitr'i Dr Louisie avy ao amin'ny Arche veterinaire

NY FAHASALAMANA

Zava-dehibe tsy azo atao ambaninjavatra mihintsy ny fahasalaman'ny alikanao, ary izany dia manomboka dieny izy mbola kely. Tsy haitraitra akory izany fa ho fiarovana ho anao sy ny manodidina anao ary ny alikanao. Indro ary aloha hazavain'ny Dr Louisie avy ao amin'ny Arche Veterinaire Itaosy amin-tsika eto ny Protocole de Vaccination izay mety amin-tsika eto Madagasikara.

Misy karazany 2 ny protocole de vaccination izay recomanden'ny mpanamboatra vakisiny. Ny voalohany dia;

- Raha vao feno 6 semaines ny chiot dia atao Primodog ho fiarovana amin'ny parvovirose

- Rehefa feno 8 semaines  kosa izy dia atao DAPPI fotsiny, mitovy amin'ny Trivirovax ihany io saingy manantombo ny aretina arovany

- Rehefa feno 12 semaines izy vao manao DAPPI+LR, mitovy amin'ny hexadog io saingy manatombo koa ny aretina arovany. Isan-taona avy eo izy vao atao DAPPI+LR fotsiny sisa. Ny MERIAL France no mamokatra azy io izay laboratoire iray ihany no mamokatra azy sy ny Trivirovax ary ny Hexadog, saingy ataony amin'ny teny anglisy ny anarany, fa ny autorisation dia mitovy ihany ary afaka miditra soa aman-tsara eto Madagasikara ireo fanafody ireo

Ny Protocole iray dia natokana ho an'ny zone a risque, izany hoe ireo faritra be alika mpirenireny loatra ka mety tafiditra ao amin'ny faritra mis anao, na koa faritra misy epidemie vao haingana, indrindra fa ny parvovirose.

- 4, 6 ary 12 semaines dia atao primodog foana ny chiot, izany hoe in-3 izany. izay vao atao ny DAPPI+LR

Toy izany koa ny kankana, vao feno 1 mois farafaha-tarany dia efa esorina ka ny RIROP no tena tsara. Tohizana isam-bolana io mandram-paha fenony 6 mois.

FADIO ANEFA NY MANAO DOKOTERA TENA ARY HAMARINO TSARA IZAY MITSABO NY ALIKANAO MBA HO TENA DOCTEUR VETERINAIRE, FA TSY HOE ASSISTANT D'ELEVAGE AKORY NA OLONA MAHAY MANINDRONA FOTSINY!

                                     

RAHA MISY FANAMPIN-PANAZAVANA ILAINAO DIA AZA MISALASALA MANANTONA NY ARCHE VETERINAIRE ITAOSY NA MIANTSO NY Dr LOUISIE AO AMIN'NY 22 350 11

 

NY  PARVOVIROSE

Aretina tena mpahazo ny alika kely io, ary matetika dia tampoka ary ao anatin'ny fotoana fohy izy dia maty! Io matetika no mahatonga ny malagasy mihevitra fa nisy namosavy ny alikany satria vao tsy nisy adin'iray akory izy no natanjaka dia tampoka teo dia nalemy dia maty!

Toy izao no fitrangany:

Tsy mety mihinan-kanina ilay alika, mando foana ilay alika, ary raha maromaro izy no miaraka dia manao toy izan koa ny hafa. Miporitra maimbo be ary tahakan'ny misy ra mainty manaraka, deshydrate ilay alika dia avy eo maty tampoka!

Virus matanjaka be ny Parvovirus, mety ho velona hatramin'ny 2 taona izy raha tsara toerana, izay no antony tsy maintsy hi-desinfectena ny toerana nisy azy avy hatrany amin'ny VIRKON no tena tsara. Mifindraamin'ny rora, kaka, pipy, volo na koa amin'ny alalan'ny biby hafa toy ny saka, voalavo, rano, kiraro na zavatra maloto. Rehefa tafiditra izy dia afaka mivelatra ao anatin'ilay alika ao anatin'ny 3-5 andro. Ao an-tenda sy ao anaty vavony no tena misy azy ary any anaty ra. Raha vao misara-nono izy no tena mora voany na koa raha tsy ampy sakafo (tsy voa-ara-maso rehefa minono ka tsy hita izay nahazo sy tsy nahazo) na koa tsy amoy proteine, calorie ary vitamine A,B,E.

Tena mora voan'io aretna io raha tsy mailo ny: Rottweiller, Berger Allemand, Amstaff, Doberman, Springer Spaniel, Greyhound ary indrindra fa ny Coton de Tulear

Ny fiarovana ny reniny amboalohany no tena tsara indrindra satria miankina amin'ny nonon-dreniny koa ny fiarovana azy. Izay no mahatongan'ny hoe raha misy alika maromaro eo dia ny sasany vo ny sasan tsy voa!

 

PASSEZ VOS PETITES ANNONCES GRATUITES ICI (VENTE, ACHAT, SAILLIE, PERDU/TROUVE........)

NB : chargez vos photos au http://imageshack.us, cliquez sur parcourir, insérez une image à partir de votre ordinateur. Ensuite cliquez sur ‘Host it’. Des codes Html et des liens apparaissent. Choisissez ‘Show image to friends’, (commencant par ‘http’) copiez le lien et collez sur l’Url de l’annonce

NY SAKAFO

 Malalaka ianao misafidy ny sakafo tianao omena ny alikanao, na croquettes, na sakafo karakarainao na koa manaraka ilay sakafo manta fantatra amin'ny anarana hoe BARF (Bones And Raw Feeding)

Ny croquettes dia sakafo mora tehirizina, tsy mandany fotoana, tsy  mandoto ary koa voalanja tsara avokoa ny otrikaina tena ilain'ny alika, ary ankoatran'ny mahatsara ny volony dia manadio ny nifiny koa. Saingy ho antsika eto Madagasikara izy dia lafo kokoa no sady tsy dia afaka mivelatra betsaka isika eo amin'ny safidy. Amin'ny maha sakafo indostrialy azy anefa dia tsy maintsy misy ny tsara ary misy koa ny ratsy fa tsy hoe rehefa croquettes dia tsara avokoa. Misy ny hoe cereal no betsaka kokoa, misy ny misy extrait de viande, ary misy koa ny hoe gout fotsiny (gout poulet, boeuf, moton sns). Ny safidy koa moa tsy betsaka eto Madagasikara ka raha sendran'ilay ratsy karazana dia tandremo fa miandry anao ny karazan'aretina toy ny aretin-kibo, eczema, fihitsanam-bolo ary misy tena maha-jamba mihintsy!

Ny sakafo karakaraina kosa anefa dia mandany andro, mandoto ary mila fikajikajiana tsara, satria dia tokony ho 4%'ny lanjan'ny alika isan'andro no hoaniny, 60% dia hena (fa tsy taolana), 20% ny vary na pate, ny ambiny kosa dia legumes, menaka manta (1-2 cas), sel de mer, ankoatran'ny levure de biere na complement hafa toy ny Wou, indraindray dia mila asiana atody manta miaraka amin'ny akorany na tongolo gasy. Raha manana fahazotoana anefa ianao dia ahita fahafinaretana mijery azy ireo mibitabitaka sy falifaly mahare ny fofona sy miandry anao hanolotra azy ireo ny sakafony!

Ny BARF kosa, dia tena mila fanaraha-maso tsara, tsy hoe rehefa henamanta dia mety foana, mila miovaova io, akoho, hen'omby, hen'ondry, taovan-ken'omby, trondro sns, ary ny fatrany dia 4%'ny lanjan'ilay alika ihany. jereo eto.

FITANDREMANA
- Ny taolana dia tsy mitondra na inona na inona ho an'ny alika ankoatran'ny fikojakojana ny nifiny, sy handaniany andro ary koa ho fiarovana azy tsy hanimba zavatra loatra, noho izany dia tsy tokony atao foto-tsakafony
- Ny taolana masaka dia tsy tsara ho an'ny alika, indrindra fa ny taolan'akoho sy trondro, raha manta kosa anefa ireny dia levon'ny tsiranoky ny vavonin'n alika.
- Ny legumes ambany tany kosa dia mety ahafaty alika raha tsy tena masaka tsara, toy ny Poireaux, ovy, vomanga sns!
- Ny tongolo oignon na maintso sy ny chocolat kosa dia mety ahafaty alika.
- Ny ronono masaka na pasteurise na amin'ny boaty dia tsy tsara omena alika.
- Toy izany koa ny gateau sy bonbon ary ny boisson gazeuse sy ny alikaola
- Fadio koa ny manome rano alika voapoizina.

Raha te hahalala ny atao hoe Alika Gasy kosa ianao dia mankanesa eto

 

Oceane - Dogue Allemand merle

Aza misalasala mihintsy mandefa fanintsiana na sosokevitra raha hitanareo fa ilaina izany, satria ity site ity dia natao ho antsika rehetra tia alika. Raha manana site miresaka momban'ny alika koa ianao dia alefaso aty raha tianao asiana rohy (lien) ato aminay. Raha toa moa ianao ka matihanina eo amin'ny sehatry ny alika (eleveur, agence de securite, distributeur de produits alimentaires et accessoires...) ke te hanao dokam-barotra ato dia manorata aty aminay.

 

Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Dogue Allemand ianao dia makanesa eto

 

American pit bull terrier, American pit bull, pit bull terrier, pit bull, pitbull, pittbull, pitt bull, gamebred, American gamedog, game pit bull, K9, detection dogs, police dog, police dogs, detection dog, bomb dog, narcotics detection dog, explosives detection dog, Boldog Kennel, Diane Jessup, BSL, dog training, schutzhund, French ring sport, tracking, tracking dog, agility dog, weight pull, weight pulling pit bull, dog crate, pit bull books, pit bull book, dog training, dog fighting, Washington State Patrol, breed specific legislation, dog agility, gamedogs, game dogs, American gamedog, dog fighting, treadmills, jenni, catmill, springpole, weight pulling, dog aggression

Mivarotra fitaovana sy kojakoja vita malagasy, toy ny collier, laisse ary harnais koa izahay, izay azonao jerena avy hatrany ao amin'ny Arche veterinaire Itaosy na koa azonao jerena sy komandina eto.

 


 

 

  Xena & Tee - Antananarivo

aha