Ho fanatsarana ny site dia mety hisy fanelingelenana kely ato ho ato ka dia ialana tsiny mialoha. Hiezaka anefa izahay ny mba hanao izay tena hahakely izany. Ny forum dia tsy ho tapaka mihintsy. Misaotra tompoko
Fandraisana
IREO KARAZANA ALIKAB
Amstaff
Alika Gasy
Boerboel
Coton de Tulear
Dogue Allemand
FITAIZANA
Fomba fisafidianana alika

Fitaizana sy baiko

ZAVA-MISY
Ireo alika mampidi-doza
Feon-gazety
ROHY ISAN-KARAZANY
Iza no ataonao anarany?
ALIKA MISY ATO AMINAY

Xena - Amstaff

Oceane - Dogue Allemand
Toufou - ''Alika Gasy''

 ASA

Mpibaiko
Dogsitters
Hafa
SERASERA

                                                  

 
 
 
 
 
 
 
 


 

 

 

 

 

 

 

 

XENA & TEE     

 034.01.117.99

e-mail: xena.amstaff@yahoo.com
Tranokala ho ambohim-pihaonan-tsika rehetra tia alika

Ao izahay no mitsabo sy manara-maso ny alikanay

Vakio ato ny torohevitr'i Dr Louisie avy ao amin'ny Arche veterinaire

 ALIKA  GASY?

Ny antsoin'ny olona matetika hoe alika gasy dia ireny alika mpirenireny tsy fantam-pihaviana ireny, izy ireny anefa dia tsy manana fenitra manokana ka misy karazany maro, ao ny iva kely, ny avoavo, ny lehibe vatana, ny be volo, ary raha misy aza izy ireny mitovy bika dia tsy mitovy toetra; ao ny kanosa, be vovo, tia olona ary ao koa ny masiaka. Ny hitovizany kosa anefa dia ny loto sy ahihazana ary ny tsy fahalalam-pomba. Ireo zavatra rehetra ireo no mahatonga ny olona hihevitra fa ireny alika ireny dia dondrona, kanosa ary sarotra baikoana. Ny fiantsoana azy ireny hoe 'Alika gasy" anefa dia mifono fijery ratsy (pejoratif), satria efa novolen'ny vahiny tao anaty kolontsain-tsika fa rehefa ratsy dia 'gasy', toy ny hoe: 'vita gasy', 'gasy petaka', 'toe-tsaina gasy' izay tsy mitovy hevitra amin'ny hoe 'vita Malagasy' 'fotom-pisainana Malagasy" sns.

Ireny karazana alika ireny anefa dia saika hita eran'izao tontolo izao, avy amin'ireo alika tena mielipatrana indrindra eran-tany, toy ny Labrador, Golden retriever, berger allemand ary ireo alika mpirenireny avy ao Azia sy Afrika! Nohon'ny tsy dia firarahiana azy na ara-pitaizana na ara-tsakafo no mahatonga azy ireny toa dondrona sy sarotra baikoana, raha ny tena marina ireny dia tsy 'alika gasy' akory fa 'Alika (velomin'ny) gasy!!! Izy ireny dia alika tsy afaka nivoatra intsony satria tsy nisy nanam-potoana nanao fikarohana sy nikarakara azy ireny. Raha mijery ny tantaran'ny chien de race tokoa ianao dia hahita fa tahakan'ireny ihany no niatombohan'ny ankabetsahan'izy ireny, saingy kosa nisy olona nahavatra niompy maromaro, nanao fikarohana momban'ny toetrany, ny zavatra mety hanavanana azy ary koa ny bikany, izay tena naharitra aman-taonany maro sy nandalo fisedrana isan-karazany, ohatra amin'izany ny famonoana ireo dogue allemand merle fahiny.

Ny tantaran'ny berger de beauce (beauceron) no tena nitovy amin'ny tantaran'ny ' Alika gasy", samy nilaina tamin'ny asa andavan'andro toy ny mpiandry biby, tanana sy mpanaraka sarety! Raha niezaka nikaroka sy nanatsara ny azy anefa ny frantsay nanomboka tamin'ny 1803, rehefa voafaritra tsara ny toetrany sy ny zava-bitany, ary tsy nisy afa-tsy karazany 2 izay tsy nisy hifandraisany amin'ny bikan'ny beauceron ankehitriny izy tamin'izany, dia tany amin'ny taona 1863 kosa vao tafavoakan'ireo mpiompy ilay loko mainty sy mavo ary ireo teboka mavo eo ambonin'ny masony, ary nisy karazany 13 izy tamin'izany, ary tamin'ny taona 1898 kosa vao tena tafavoaka ny fenitry ny beauceron, na ara-bika io na ara-toetra. Kajio tsara fa efa ho 95 taona aty aoriana vao tonga amin'ny tanjony ireo mpiompy, dia eritrereto ny vola sy fotoana lanin'izy ireo ary koa ny firaisankinan'ireo frantsay tamin'izany! Tsy tahakan'ny antsika, izay tsy nisy fivoarana fa dia alika natao hahamenatra sy fihomehezana sy ho fanaratsiana fotsiny! Iza amintsika marina tokoa moa no hanana izany finiavana izany ha haharitra 100 taona vao hisy vokany ary mety tsy hahita ny vokany akory aza izay manomboka ny fikarohana!

 
 

INONA ARY NO ATAO HOE ALIKA GASY

Ny alika izay mitondra ny anarana avy eto Madagasikara dia tsy misy afa-tsy ny Coton de Tulear, ary io ihany no fantatr'izao tontolo izao fa alika malagasy, ary na io aza dia efa saika lany taranaka nohon'ny tsy fananan'ny Malagasy finiavana hiaro sy hikolokolo ary hampitombo isa azy ireny raha tsy nisy ny Frantsay nandray izay andraikitra izay. Amin'izao fotoana izao ny coton de tulear eto Madagasikara dia tsy azo antsoina hoe race pure raha tsy misoratra ao amin'ny 'Livre des Origines Française' ny fihaviany, ary ry zareo indray izao no tena saro-piaro amin'ny Coton de Tulear. Isika indray izao no tonga amin'ilay fitenenana hoe tompony mangatak'atiny! Ary isika indray no tsy mahay manavaka ny izy sy ny tsy izy, ka lasa isika indray no manana ny atao hoe chien de type na genre coton de Tulear, ary ny tena mampihomehy dia lasa isika indray no mahita karazana coton izay antsointsika hoe 'Papillon", izay tsy inona fa degeneration-na coton de tulear. Ny alika papillon mantsy hatramin'izao dia tsy misy afa-tsy ny epagneul espagnol ihany! Tsy ratsy akory ireny alika ireny, fa ity resaka ity dia entina hampieritreritra fotsiny hoe 'dia ho lasan'ny vahiny avokoa ve izany izay tsara hananantsika, eny fa na dia hatramin'ny alika aza? Lazaina foana fa manan-karena i Madagasikara, kanefa lasa aiza ary ny harena no tsy mety manan-karena ny Malagasy? Aiza ve ka alika fananan-tsika izao dia lasa hoe an'ny vazaha! Jereo anefa ny Akita inu (alika japoney) nony saika lany taranaka, dia ny Ministeran'ny fiompiana tany mihintsy no nandray antanana azy, ary ankehitriny izy dia lasa rehareha sy fanehoana (embleme) ho an'ny tananan'i Akita any Japon! io anefa dia alika saika lasan'ny amerikana koa taorianan'ny ady lehibe faharoa! izay no lasa nisian'ny Akita americain.

Raha te hahalala ny momban'ny Coton de Tulear kosa ianao dia mankanesa eto

 

   

 

Oceane - Dogue Allemand merle

Aza misalasala mihintsy mandefa fanintsiana na sosokevitra raha hitanareo fa ilaina izany, satria ity site ity dia natao ho antsika rehetra tia alika. Raha manana site miresaka momban'ny alika koa ianao dia alefaso aty raha tianao asiana rohy (lien) ato aminay. Raha toa moa ianao ka matihanina eo amin'ny sehatry ny alika (eleveur, agence de securite, distributeur de produits alimentaires et accessoires...) ke te hanao dokam-barotra ato dia manorata aty aminay.

 

Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Dogue Allemand ianao dia makanesa eto

 

Mivarotra fitaovana sy kojakoja vita malagasy, toy ny collier, laisse ary harnais koa izahay, izay azonao jerena avy hatrany ao amin'ny Arche veterinaire Itaosy na koa azonao jerena sy komandina eto.

 


 

 

  Xena & Tee - Antananarivo

aha