Ho fanatsarana ny site dia mety hisy fanelingelenana kely ato ho ato ka dia ialana tsiny mialoha. Hiezaka anefa izahay ny mba hanao izay tena hahakely izany. Ny forum dia tsy ho tapaka mihintsy. Misaotra tompoko
Fandraisana
IREO KARAZANA ALIKAB
Amstaff
Alika Gasy
Boerboel
Coton de Tulear
Dogue Allemand
Fomba fisafidianana alika

Fitaizana sy baiko

ZAVA-MISY
Ireo alika mampidi-doza
Feon-gazety
ROHY ISAN-KARAZANY
Iza no ataonao anarany?

Xena - Amstaff

Oceane - Dogue Allemand
Toufou - ''Alika Gasy''

 ASA

Mpibaiko
Dogsitters
Hafa
SERASERA

                                                  

 
 
 
 
 
 
 
 


 

 

 

 

 

 

 

 

XENA & TEE     

 

e-mail: xena.amstaff@yahoo.com
Tranokala ho ambohim-pihaonan-tsika rehetra tia alika

Ao izahay no mitsabo sy manara-maso ny alikanay

Vakio ato ny torohevitr'i Dr Louisie avy ao amin'ny Arche veterinaire

 

Ny fitaovana ilaina sy ny fomba fampiasana azy

Ny fitaizana alika dia mila fitaovana maro isan-karazany, anisan'ny ny fitaovana fototra amin'izany ny collier sy ny laisse. Misy karany 3 ny collier fototra, dia ny collier etrangleur, ny collier de promenade ary ny collier fantaisie. Tsy apetrapetraka foana ny collier fa samy manana ny asany avy, ary tokony ampiasana mifanaraka amin'izany mba tsy hitrangan'ny loza.

Ny collier etrangleur

                                                                

Io dia fampiasa hampianarana ny alika,  atsofoka ao amin'ny lavaka ny rojo ary atsofoka ao ny lohan'ny alika, apetraka eo amin'ny tendany toy ny collier ilay izy avy eo, ary tazomina amin'ilay lavaka ilany.atao miendrika P ny fanatsofoana azy mba hanaikitra tsara ny tendany rehefa sintomina. Rehefa mahay madeha amin'ny collier de promenade ny alika, ka miditra amin'ny dressage vao azo ampiasaina ny collier etrangleur. Tsy dia fampiasa amin'ny alika kely toy ny coton de Tulear na yorkshire anefa izy ireny, misy karazany kosa izy ho an'ireo alika be na matanjaka be, na ireo tena mafy loha tia miady toy amstaff sy ny matin de Naples, ary misy aza mampiasa ireo karazana misy nify maranitra toy io sary faha 3 io. Izahay moa dia tsy mamporisika ny fampiasana azy io, ary na ny collier etrangleur tsotra aza dia tsy tokony hampiasaina matetika. Rehefa tsy mihaino ny alika na tsy mety manatanteraka baiko, indrindra fa rehefa mandehandeha dia somary sintomina tampoka sy mafy arak'izay zakan'ilay alika ny collier sady arahina ny baiko tiana ataony, toy ny hoe: Assis, debout, couche, indrindra fa ny hoe au pied sy docement ary ny non. Tsy tokony hadino anefa ny mandoka azy isaky ny manao izy, ho azy dia midika hoe 'marary' ny tsy fanekena ary fahafinaretana kosa ny fanekena. Tsy hajanona ny fampiasana ny collier etrangleur raha tsy efa mankato tsara ny alika sy tsy misintona rehefa mandeha!                            

Ny collier de promenade sy ny harnais

                                                           

Ireo kosa dia tsy natao hampianarana alika, natao fitondrana alika vao nahay vao haingana ny fitsangatsanganana miaraka amin'ny tompony ny collier de promenade, izany hoe vao nahavita ny fianarana tamin'ny collier etrangleur. Mbola tsaroany mantsy eo ny sintona eo amin'ny tendany! Na izany aza ny collier de promenade dia tsy natao hanerena na hibaikoana alika, natao fotsiny izy ireny ho fampatsiahivana ireo zavatra tsy tokony hataony rehefa mitsangatsangana. Tadidio fa tsy ahatana alika mitroatra mihintsy ny collier de promenade, fa na dia tsy ho tapaka na votsitra aza izy ireny dia mety tsy ho voatazonao mihintsy! Noho izany raha mbola tsy manaiky tsara anao ny alikanao dia fadio ny mitondra azy mandehandeha amin'ireny raha tsy manisy museliere!

Ny harnais kosa dia natokana ho an'ny alika tena mahalala baiko tsara, sady haingony mantsy izy ireny no miteraka fahafinaretana ho an'ny alika, satria tahakan'ny hoe malalaka tsy voafehifehy izy rehefa tsy mahatsapa sintona avy amin'ny tenda! Ny fampiasana harnais dia tena zava-doza raha atao amin'ny alika tsy mbola mahay. Tsy vitan'ny hoe tsy mahafehy azy ny harnais raha mitraotra izy fa koa ahafahany mampiasa ny heriny iray manontolo hisintomany anao ka mety handratra anao. Jereo fa harnais no ampiasaina amin'ireny alika mitarika sarety kely ireny

Ireo collier sy harnais ireo dia natao fotsiny hampatsiahivana ny alika izay tokony ataony, amin'ny alalan'ny sintona kely fotsiny, fa tsy natao hitaritana, na hamatorana alika. Ka noho izany mahaiza mifidy ny mety amin'ny alikanao ho fiarovana ny loza mety hitranga, fa tsy haitraitra akory ireny!

                                  

Ny collier fantaisie kosa dia tena natao ho haingony tanteraka, mety hiendrika collier de promenade na bandana na collier vy toy ireny etrangleur ireny. Izy ireny dia natao hiangony ao an-tanana ihany, ary natokana ho an'ny alika tena mahay baiko tanteraka raha ho entina mandehandeha ivelan'ny tanana, izany hoe ireo alika tsy mila tabatabaina na sintosintomina vao manao fa dia tahakan'i Tintin sy Milou na Obelix sy Idefix!

Mbola maro be ny karazana haingo sy fitaovana ampiasaina raha manana alika saingy ireo aloha no tena filana fototra. Mbola betsaka izay tsy ho voatanisa eto, toy ny: collier anti-aboiement, collier de rappel electrique, collier limiteur de territoire electrique, anti-puce, ary ny ankanjo isan-karazany (dog cocooning) sns...

Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Amstaff ianao dia mankanesa eto

PASSEZ VOS PETITES ANNONCES GRATUITES ICI (VENTE, ACHAT, SAILLIE, PERDU/TROUVE........)

NB : chargez vos photos au http://imageshack.us, cliquez sur parcourir, insérez une image à partir de votre ordinateur. Ensuite cliquez sur ‘Host it’. Des codes Html et des liens apparaissent. Choisissez ‘Show image to friends’, (commencant par ‘http’) copiez le lien et collez sur l’Url de l’annonce

         

Hatramin'izao aloha dia ny harnais, collier ary laisse ihany no vokarinay, mpanao asa-tanana malagasy no manao azy ary akora hita eto an-toerana no hampiasaina. Miezaka ny hanao izay hahamora ny fitaovana izahay, na dia eo aza ireo vita avy any Asie, izay tena mahagaga fa tena mora nohon'ny vita eto an-toerana, izany dia nohon'ny vidin'ny akora hita eto an-toerana. Ny tanjonay dia ny mba ahafahan'ny be sy ny maro hanatsara ny fitaizany ny alikany. Ny fitaovanay dia misy ny marika XENA & Tee - D.O.G.W.E.A.R, ary mety ho hitanareo eny amin'ny tsena ho an'ny biby sasany atsy ho atsy. Hatramin'izao aloha dia etsy amin'ny ARCHE VETERINAIRE Itaosy no ahitanareo azy, na manafara aty aminay mivantana. Ho hitanareo eto ihany moa ny liste'ireo Points de vente atsy ho atsy.

 
 
 

Raha te hahalala ny atao hoe Alika Gasy kosa ianao dia mankanesa eto

 

Xena - Amstaff, type terrier

Aza misalasala mihintsy mandefa fanintsiana na sosokevitra raha hitanareo fa ilaina izany, satria ity site ity dia natao ho antsika rehetra tia alika. Raha manana site miresaka momban'ny alika koa ianao dia alefaso aty raha tianao asiana rohy (lien) ato aminay. Raha toa moa ianao ka matihanina eo amin'ny sehatry ny alika (eleveur, agence de securite, distributeur de produits alimentaires et accessoires...) ke te hanao dokam-barotra ato dia manorata aty aminay.

 

Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Dogue Allemand ianao dia makanesa eto

 

Mivarotra fitaovana sy kojakoja vita malagasy, toy ny collier, laisse ary harnais koa izahay, izay azonao jerena avy hatrany ao amin'ny Arche veterinaire Itaosy na koa azonao jerena sy komandina eto.

 

 


 

 

  Xena & Tee - Antananarivo

aha