Ho fanatsarana ny site dia mety hisy fanelingelenana kely ato ho ato ka dia ialana tsiny mialoha. Hiezaka anefa izahay ny mba hanao izay tena hahakely izany. Ny forum dia tsy ho tapaka mihintsy. Misaotra tompoko
Fandraisana
IREO KARAZANA ALIKAB
Amstaff
Alika Gasy
Boerboel
Coton de Tulear
Dogue Allemand
Fomba fisafidianana alika

Fitaizana sy baiko

ZAVA-MISY
Ireo alika mampidi-doza
Feon-gazety
ROHY ISAN-KARAZANY
Iza no ataonao anarany?

Xena - Amstaff

Oceane - Dogue Allemand
Toufou - ''Alika Gasy''

 ASA

Mpibaiko
Dogsitters
Hafa
SERASERA

                                                  

 
 
 
 
 
 
 
 


 

 

 

 

 

 

 

 

XENA & TEE     

 

e-mail: xena.amstaff@yahoo.com
Tranokala ho ambohim-pihaonan-tsika rehetra tia alika

Ao izahay no mitsabo sy manara-maso ny alikanay

Vakio ato ny torohevitr'i Dr Louisie avy ao amin'ny Arche veterinaire

Ny amstaff dia alika kely fa bokona, avy amin'ny fanakambanana ny bulldog, alika bokona sy matanjaka ary ny Bul Terrier izay alika tena nahery nihazakazaka. Ny fitambaran'ireo no nahatonga ny Amstaff ho anisan'ny alika tena matanjaka indrindra raha oharina amin'ny habehany. Alika tena nanana ny tantarany ny Amstaff ary koa anisan'ny efa voasoratra ela tamin'ny Livre des Origines anglisy (UKC) ary amerikana (AKC, 1936). mitovitovy karazana amin'ny American PitBull Terrier (APBT), Bull Terrier ary ny Staffordshire Terrier (Staffie) ny amstaff.

Efa maro dia maro ny amstaff eto amintsika, saingy vitsy no tena azo antsoina hoe race pure, ny  atao hoe race pure tokoa mantsy dia ireo alika misoratra amin'ny Livre des origines irery ihany (AKC, UKC, LOF, LOM sns...), io ihany no antoka manaporofo fa tsy misy metisy na ilay alika na ny firazanany. Ny ankoatran[izay dia antsoina hoe 'Type' na 'genre'. Na tena zanaka race pure misoratra amin'ny Livre des Origines aza ilay alika, kanefa tsy voasoratra dia Type Amstaff no hiantsoana azy.

Raha mitady amstaff ary ianao, kanefa tsy mahita 'race pure' voasoratra ara-dalana, dia ireto misy fomba ahafantarana azy. Saingy raha mbola kely izy dia betsaka no tsy ho voamarina, ankoatran'ny hoe ny bika fotsiny aloha no azo jerena eto, satria ny toetra mampiavaka azy koa dia tsy ho hitanao eo no eo!

KARAZANA AMSTAFF

Misy karazany 3 ny bikana Amstaff, izay toy izao manaraka izao

                             

            Ny Bully (Gros gabarit)                  Ny Moderé (io no tena tsara)             Ny Terrier (Petit gabarit)

Ny type bully (gros gabarit) dia tena bokna be ary somary botabota sy mavesatra fandeha, maherihery kokoa ny azy ny fihaviana avy amin'ny bulldog, ary mety hilanja mihoatra ny 28kg. Io karazana io anefa dia tsy maneho loatra ny tena bikan'ny Amstaff, ary izay no antony tsy haneken'ny FCI (Federation Cynologique Internationale) azy ho toy ny Amstaff. Ary tsy amporisihany ny mampanaraka ny samy bully, satria ho an'ireo tena mahalala ny Amstaff dia tsy qualite io gabarit io fa defaut. Ny type moderé kosa no tena maneho ny Amstaff, ary io no tsara indrindra. Tsy manana bika botabota izy ary mifaritra tsara ny hozany, milanja eo ho eo amin'ny 23-27kg eo ho eo izy. Na izany aza dia tsy amporisihana mihintsy ny mampanaraka azy ireny amin'ny type Bully. Ny tena tsara dia ny samy modere na farafaha-ratsiny amin'ny type terrier. Ny type Terrier kosa dia ny kely indrindra amin'ny Amstaff, tsy dia tena mifariparitra ny hozany raha oharina amin'ny Moderé, tsy latsaky ny 18kg izy ary tsy mihoatra ny 23kg kosa. Io karazana iray io kosa anefa dia afaka hampiarahana amin'ny type bulky sy modere, ary tena amporisihina mihintsy aza ny fampanarahana ny Bulky aminy mba hiverenan'ny tena endriky ny Amstaff! Ireo karazana 3 ireo anefa dia mety hipoitra avokoa ao anatinin'ny portee iray, arakaraky ny firazanan'ilay alika.

Mirefy 43-46 cm au garrot ny vavy ary 46-48cm kosa ny lahy. ho an'ny type terrier sy modere dia azo leferina raha latsaka na mihoatra 1cm io refy io,ary tokony hilanja 18-25kg. Ny bulky dia mety mihoatra an'io ary mety hahatratra hatramin'ny 50cm, izay no tsy ahafahan'ny FCI mi-confirmé azy, satria efa mihoatra ny standard'ny tena Amstaff.

Ny lokony kosa dia mety avokoa, saingy ny loko fotsy dia tsy tokony hihoatra ny 80%'ny lokony rehetra. Toy izany koa ny loko fauve sy mainty miaraka, raha tsy hoe bringé angaha. Ny masony koa dia tokony ho matroka. Tsy lesoka be tsy azo leferina anefa ireo, fa kosa tsy dia tena iriana. Any andafy dia afaka mandray anjara amin'ny fifaninanana ny alika tahakan'ireo fa saingy kosa analana ny isa azony (penalisé)

Tena tsy azo leferina, satria midika fa misy metisy na nisy firazanana metisy  kosa ny amstaff miforitra rambo eo ambony lamosina, lava tongotra [(avo be) na gros gabarit na modéré na terrier dia tsy tokony ho avo dingana mihintsy!], mitsanga-tsofina (raha tsy mitapaka), na koa mipetaka loatra amin'ny takolany. Ny amstaff kanosa be na diso masiaka loatra (indrindra fa amin'ny olona) koa dia tsy azo ekena.   Jereo eto ny Standrad officiel'ny amstaff

Alika tena anisan'ny tia olona ny amstaff, indrindra fa ny zazakely, masiaka kosa izy amin'ny biby hafa ary tena mahasahy miady mihintsy. Mahay miaro ny tompony izy rehefa tena ilaina izany, somary mafimafy loha ka mila fitaizana hentitra kanefa feno fitiavana. Alika tsy azo tabatabaina, na velivelesina sy kitakitaina ny amstaff, ary koa tsy natao hiaina any antokotany (toy n chien de garde, na alefa mirenireny). Raha karazan'olona toy izany ianao, dia aza mieritreritra akory ny hanana Amstaff!                               

Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Amstaff ianao dia mankanesa eto

PASSEZ VOS PETITES ANNONCES GRATUITES ICI (VENTE, ACHAT, SAILLIE, PERDU/TROUVE........)

NB : chargez vos photos au http://imageshack.us, cliquez sur parcourir, insérez une image à partir de votre ordinateur. Ensuite cliquez sur ‘Host it’. Des codes Html et des liens apparaissent. Choisissez ‘Show image to friends’, (commencant par ‘http’) copiez le lien et collez sur l’Url de l’annonce

 
Toy izao ny firafitry ny amstaff, type modere io araky ny fenitry ny AKC sy ny FCI

Raha te hahalala ny atao hoe Alika Gasy kosa ianao dia mankanesa eto

Xena - Amstaff, type terrier

Aza misalasala mihintsy mandefa fanintsiana na sosokevitra raha hitanareo fa ilaina izany, satria ity site ity dia natao ho antsika rehetra tia alika. Raha manana site miresaka momban'ny alika koa ianao dia alefaso aty raha tianao asiana rohy (lien) ato aminay. Raha toa moa ianao ka matihanina eo amin'ny sehatry ny alika (eleveur, agence de securite, distributeur de produits alimentaires et accessoires...) ke te hanao dokam-barotra ato dia manorata aty aminay.

 

Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Dogue Allemand ianao dia makanesa eto

Mivarotra fitaovana sy kojakoja vita malagasy, toy ny collier, laisse ary harnais koa izahay, izay azonao jerena avy hatrany ao amin'ny Arche veterinaire Itaosy na koa azonao jerena sy komandina eto.

 


 

 

  Xena & Tee - Antananarivo

aha